Psalms 126

Fifalian’ ny efa nampodin’ i Jehovah, sy fifonana ho an’ izay mbola babo

Fihirana fiakarana
Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga.
.

1

Fony Jehovah nampody an’ i Ziona avy tamin’ ny fahababoany, Dia tahaka izay nanonofy isika.
2Fahizay dia feno hehy ny vavantsika Sy fihobiana ny lelantsika; Dia natao tany amin’ ny Jentilisa hoe: Zava-dehibe no nataon’ i Jehovah ho an’ ireny. 3Eny, zava-dehibe no nataon’ i Jehovah ho antsika, Ka dia faly isika. 4Tanteraho, Jehovah ô, ny ham-podiana anay avy amin’ ny fahababoana, Tahaka ny fiverenan’ ny riaka any amin’ ny tany atsimo. 5Izay mamafy am-pitomaniana Dia hijinja am-pifaliana. 6Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, Fa hiverina mitondra ny amboarany amin’ ny fihobiana kosa.
Copyright information for Mg1865